Malagasy aho
01/20,2011
Fandrosoana tokoa ve?
Mitobakaankehitriny eny an-tsena ireo finday avo lenta isan-karazany, hany kamangasihasy ery ireo tsy afaka manana ny fahefa-mividy izany.
Eokoa ireo, izay mizahozaho ery hoe mahay teny vahiny, hany ka dia falymampihatra izany eny an-dalambe, na eny antsena, na dia tsy mandehaamin'izay laoniny aza izany.
Fandrosoanahono izany e!
Marinatokoa fa fandrosoana izany. Ahoana tokoa moa no itovizana amin'nymponin'ire firenena ambony eto anivon'izao tontolo izao ra tsy nandiana dia fianarana famankian-teny sy fanoratana fotsiny aza. Fototrairay mampijoro ny maha olona izany mba tsy ho ambaka ny sasany. Nefatena izay tokoa ve le tena ivon'ilay atao hoe fandrosoana?Fanontaniana mipetraka iny ary hisy valiny.
Faamiko tsy dia tena hoe izany tokoa no tena fototry ny fandrosoana.Diniho fotsiny ireo firenena matanjaka vitsivitsy eto anivon'izaotontolo izao, ny amerikana, ny sinoa, ny frantsay. Raha mandinikaisika dia hain'izy ireny ny manindraindra ny kolontsainy, ny tenamahaizy azy ifotony, hany ka ireo vahiny mpitsidika any aminy indrayno miezaka manaraka ny fomban-tany any aminy. Tsy hiteny fotsiny afatsy ny tenindrazana aho. Isika malagasy raha mahita vahiny diahaintsika ny mampiseho fa haintsika ny fomba fiteniny, ny harenakoltoraly any aminy, hany ka hadinontsika ny tena maha malagasyantsika, ny tenindrazantsika. Fandrosoana izany tsy laviko! fa firyfiry moa ny harena ara-koltoraly eto amintsika no hoe isika malagasyno nahita sy nahafantatra azy? Tsy laviko hoe ireo zanatany anyamin'ireny toerana ireny mahalala tokoa ny fisiany, saingy, ny vahinyno mahafantatra betsaka ny zavamisy eto amintsika mihoatra nohoisika eto an-toerana. Ny antony, indraindraintsika loatra ireovahiny, hany ka mora ho azy ireo ny mananjanaka antsika malagasyamin'ny alalan'ny koltora avy any aminy. Firifiry moa ireo vahinytonga eto amintsika, tsy mba mahay akory na dia teny iray monjaamin'ny fitenintsika, nefa dia miriaria sy mihamahazo vahana tokoaizy ireny eto. Ary isika nefa, rehefa mankany amin'izy ireny, moa izyireny mba mihezaka akory ny handika ny tenintsika amin'izaympampiantrano antsika? Tsy maintsy mahay ny teniny aloha voatafiditra any.
Kainona tokoa moa zany le fandrosoana tadiavintsika?
Maninamoa raha ny tenindrazantsika sy koltora hananantsika no aindraindraambony toy ny ataon'ireo firenena matanjaka amin'izao fotoana izao.Manina moa raha miezaka isika malagasy manaja ny fotom-pisainan'ireontaolo, nanabeazana antsika,toy ny fanajàna, ny fahalalam-pomba.
Metyho sarotra ngamba izany, fa raha amiko manokana, ny fiantombohan'nyfandrosoana, dia ny fanomezan-danja ny maha malagasy ny tena.
Asaanefa!
Ankapobeny | Hevitra (15) | Hametraka hevitra
11/08,2010
Ny Fifanajana (tohiny)
Efa resaka fifanajana iany ny lohahevitry ny lahatsoratro tamin'ny farany, ka dia tohizako amin'izay iany ny lohahevitr'ity lahatsoratra manaraka ity.
Ny tiako hambara eto indray dia ireny zava-miseho eny amin'ireny toeram-pisakafoanana ireny.
Mazana tokoa mantsy eny amin'ireny toeram-pisakafoanana ireny dia maro ny zava-miseho ao, ary eny amin'ireny toerana ireny no tena hita ny tena toetran'ny olona iray. Ny tiko ho tsindrina dia ireo olona miasa ao aminy (serveurs sy serveuse io).
Misy amintsika (enga anie mba tsy enao mamaky io) no mahavita mitabataba sy mivazavaza amin'izy ireny. Eny! tsy laviko hoe ao ireo mbola tsy za-draharaha, mety manao fahadisoana kely madinidika, nefa na izany aza, tokony mba omena fanajana iany izy ireny. Araka ny nolazaiko tetsy ambony, dia misy tokoa isika no mahavita mivazavaza sy manompa azy ireny, indrindra moa rehefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra ao an-tsaintsika ny zava-miseho (somary misy fiandrasana kely, tsy ampy sira, ....).
Fantaro anefa hoe inona tokoa moa ny miseho eo anivon'ireny toeram-pisakafonana ireny.
Fantaro ary fa:
- ny fotoana handoarana ny sakafo, hametrahana ny haingonkaingony ireny, dia mila eo amin'ny 7 na 10 minitra eo ny fotoana fiandrasana.
- raha toa moa ka sakafo somary manahirana ny mikarakara azy dia fantaro fa tsy maintsy mbola miandry eo amin'ny 15 na 20 minitra eo koa ianao.
- raha tsy enao irery no ao anatin'ilay trano fisakafoanana, dia mbola tokony hiandry kely iany ianao satria ny tonga aloha no tsy maintsy omena aloha eny fa na dia sakfo mora karakaraina aza ny anao
Ny tiako ambara dia ny hoe, marina fa mety nisy nahasorena anao tany ivelany tany, marina iany koa fa mety efa noana be ianao niditra tao anatin'ilay toeram-pisakafoanana, nefa na izany aza, refa mba miarahaba amin'ny tsikitsiky ireny olona ireny de tokony ho valiana tsikitsiky; raha sendra ela ilay sakafo dia anontanio moramora ilay serveur na serveuse eo anatrehanao, resaho moramora izy, fa refa hainao ny manaja azy dia hainy iany koa ny manaja anao.
Mafy tokoa manko ny asan'izy ireny, ka raha sady mahazo avy aty aminao mpanjifa izy, nefa koa izy ao ambadika ao mbola mahazo avy amin'ireo mpahandro miampy ny fitadidiana hoe ny sakafo inona no an'iza, iza no mbola tsy nahaza, efa lasa ve ilay sakafo otran'izatsy sy zaroa, dia eritrereto hoe raha enao no eo amin'ny toerany, vitanao ve? zakanao ve?
Ankapobeny | Hevitra (2) | Hametraka hevitra
10/15,2010
Ny taxi-be sy ny fifanajana
Ny mpiasan'ny taxi be no anisan'ny olona mifanerasera matetika aman'olona, saingy ny mampalahelo amin'izy ireny dia tsy mba hain'izy ireo ny mikarakara ireo mpandeha ao aminy. Ambonin'ny hoe sady ratsy be ilay fiara, maloto ary simba ny seza ipetrahana, dia eo koa ny tsy fahalalam-pomba sy ny fikatakitana ny mpandeha.
Tranga mateti-piseho io fikitakitana ny mpandeha io. Misy izany vao tafiditra ao anaty fiara ilay mpandeha dia efa mailaka ery ny "receveur" mitaky ny saran-dalana,nefa mbola tsy nahazo seza akory ilay mpandeha. Ny fitakiana ny saran-dalana tsy mba amim-panajana fa dia mivatravatra aoka izany. Raha sanatria moa ka vaventy ny vola, na tokony hisy fameriny dia ady be tsy vita izany voa azo, ary raha sendra varina dia efa lazainy fa efa naveriny.
Manampy izany koa ny fofona sy ny ankanjo maloto be efa tandalerona mihitsy. Raha sendra mipetraka eo amin'ny seza manakaiky ny varavarana fidirana dia tsy maintsy miomana fa ho sempotry ny karazam-pofona: ao ny fofon-kelika, ao ny fofon-tongotra,.... Fa nga aza tsy mba mahay izany hoe misasa aloha vao mande miasa izany ny mpiasan'ny taxi be e?!
Ankapobeny | Hevitra (10) | Hametraka hevitra
10/12,2010
Ny Karajia sy ny resaka "sex"
Mety hisy hilaza angamba ny sasany amintsika eto ampamankiana ity lahatsoratra ity fa efa tena niaina tamin'ny andron'ny ntaolo ny tenako na hoe "vieux jeux" amin'ny antsoin'ny vahiny. Nefa moa tsy aritra ka de ambara eto iany.
Betsaka ankehitriny ny tranonkala manisy vahana ny sampana atao hoe "karajia" na tchat hoy isika amin'ny teny vahiny. Tsara tokoa ny fisian'izy ireny, mba mampiala voly, ary koa ahafahana mitafatafa sy mifampizara trai-kefa. Fa trai-kefa amin'ny lafiny inona, ary tafatafa momba ny inona?
Tsy fantatro aloha raha toa ka efa izay mihintsy ny zava-misy ka dia tsy maintsy miaina amin'izay tokoa, fa raha ho ahy manokana dia sorena iany ny tenako raha toa ka misy miteny amiko resaka vetaveta, tsy misy arahaba tsy misy n'inona na inona.
Maro ireo tovolahy no dia tsy misy resaka afa tsy io. Ohatran'ny hoe tsy misy hajany intsony izay tovovavy sendra miditra ka mba mitady tafa amin'ireny tranonkala ireny. Ny fiheveran'ny sasany aza dia hoe olona tsy misy dikany sy tsy misy hajany daholo zany ny olona miditra ao amin'ireny tranonkala ireny. Ekeko aloha fa misy ireo tranonkala izay natokana iresahana an'izany, saingy tsy ny tranonkala rehetra akory no tokony iresahana an'izany.
Asa aloha, na hoe efa izay tokoa ve zany no lamaody, ka dia izay tsy miresaka an'izany dia tena olona tsy maharaka mihintsy, fa ra ho ahy manokana aloha dia somary sorena iany ny tenako refa sendra an'izy ireny, indrindra moa raha hoe efa sorena avy ami'ny asa iny enao no mbola misy miteny zavatra tahak'izany.
Raha ho ahy izay tsy miala ato anaty birao mandritra ny tontolo andro, ireny tranonkala ireny no mba hany namako nefa moa refa sendra ireny resaka ireny, sorena iany ny tena.
Ankapobeny | Hevitra (14) | Hametraka hevitra
08/20,2010
Ny "internet": vavahady ho an'ny mpanararaotra sy ny mpitsikilo
Maro ireo olona no mampiasa ny "internet" mba ahafahana mifandray amin'izao tontolo izao. Tena ilaina tokoa satria ho an'ny fianakaviana mipetraka amin'ny toerana samihafa dia fitaovana iray ahafahana mifandray, manome vaovao. Ny internet ihany koa dia fitaovana iray ahafahana mlahafantatra ny zava
-misy eran'izao tontolo izao.
Nefa misy ny mampiasa ny "internet" ho fitaovana isolokiana, angalana vola sy hambotrina ny manodidina azy.
Tranga matetika mpiseho inty:
De: Mlle Maimuna Koné
Mr/Mme,
C'est avec un
grand intérêt et la confiance que j'ai en vous, bien que nous ne nous
connaissons pas avant, l'un et l'autre ne nous sommes pas encore
rencontré.
Avant que je prenne votre adresse et vous écris ,j'ai prié au-dessus de
votre adresse demandant à Dieu de me diriger vers une confiance digne qui
m'aidera à regler mes problèmes.
Je me nomme Mlle
Maimuna Kone, un seul enfant de feu Mr Koné Amadou, qui était un commercant
en or et en cacao à Abidjan Côte d'Ivoire. Mon père été empoisonné
par ses associés d'affaires sur un de leur séminaire d'affaire à Accra
Ghana, le 19 octobre 2007.avant sa mort le 29 novembre 2008 dans un hôpital
privé ici à Abidjan, il m'a sincèrement appelé sur son lit où il m'a avoué
avoir un somme de $9,5 m dollar Américain (NEUF MILLION CINQ CENTS MILLE
DOLLAR)qu'il avait déposé dans une banque ici, Abidjan Cote D'ivoire aussi
il m'a mis en garde, que c'est à cause de sa richesse qu'il été empoisonné
par ses associés.
Il m'a conseillé donc en suite de chercher
un partenaire étranger dans un pays de mon
choix où je peux transférer
cet argent et l'utiliser pour des investissements
dans une affaire
profitable et sans faire au courant à ses ennemies.
Cependant j'ai honorablement besoin de vos aides sur cette
voie.
1) Vous m'aidez pour transférer cet argent interne sur
votre compte bancaire que vous aller communiqué a la banque en
question qui deposent la sommes avec
succès.
(2) Fournissez un compte bancaire auquel ce fonds servira de
transfert
3) Vous m'aiderez à fixer une autorisation
résidentielle dans votre pays.
D'ailleurs, je suis disposé à
vous offrir 15% de toute la sommes par compensation
pour vos efforts
après le transfert réussi de ces fonds à votre compte
nommé.
En outre, vous pouvez indiquer votre option pour m'aider pendant que je
crois que cette transaction serait conclue dès que je recevrai votre
réponse, et du jour vous signifiez l'intérêt de m'aider.
Merci
et Dieu vous bénisse dans l'attente d'une suite
favorable.
Mlle Maimuna Koné.
Ary matetika dia ny olona avy any Afrika no tena mampiasa an'io fomba io. Ho an'ny olona tsy mahalala dia manome tokoa an'ireo zavatra retra angatahany ireo , indrindra fa ny compte bancaire.
Amin'io fomba io no angalany ny vola, ary ataony fotsy mihitsy.
Misy koa ireo izay misoratra amin'ireny atao hoe "sites communautaires" ireny, tsy manapo n'inona na inona ka manome ny momba azy feno. Misy nefa ireo izay tsy mikely soroka mitady izay fomba ampisana ireny ho amin'ny tombotsony manokana toy ity tranga ity:
1,5 million de comptes Facebook piratés mis en vente
Après avoir craqué plus de un million de comptes, un pirate a décidé d’en tirer profit en les mettant en vente entre 25 et 45 dollars, le lot de 1 000. 700 000 auraient déjà trouvé acquéreur.
n trafic de comptes Facebook vient d'être mis à jour par le laboratoire iDefense de Verisign, l'organisme en charge de la gestion des noms de domaine en .com, .net, etc. Kirllos, un pirate d'origine russe, à en croire la langue qu'il utilise dans les forums, s'est emparé des identifiants et des mots de passe permettant d'accéder à 1,5 million de profils.
Il a décidé d'en tirer profit en les mettant en vente, non pas au détail, mais par lots. Le prix demandé est de 25 dollars le millier de comptes détenant moins de dix amis et de 45 dollars pour ceux qui en ont davantage. C'est en tombant sur l'une de ces annonces que VeriSign a découvert l'existence du trafic. Les forums qui écoulaient ces profils ont été fermés, mais environ 700 000 profils auraient eu le temps de trouver preneur.
Des données très prisées des pirates
Ce genre de vente est une aubaine pour les pirates, qui vont se servir de ces identités pour diffuser auprès de leurs contacts des codes malicieux, en leurs envoyant des invitations à cliquer sur des liens piégés. Les ordinateurs ainsi infectés viendront rejoindre des botnets, ces réseaux de machines zombies, contrôlées à distance, qui permettent d'inonder les boîtes aux lettres de spam ou encore de mener des attaques par déni de service.
L'achat d'un compte Facebook peut également servir au phishing. Là aussi il s'agit de profiter de l'identité usurpée pour extorquer auprès de son réseau d'amis des informations personnelles ou encore de l'argent.
Conscient de l'existence de ce genre de détournement, Facebook veille au grain. Il propose aux détenteurs de comptes constatant des activités suspectes de changer de mot passe ou procède à leur fermeture automatique en cas de détournement manifeste.
Les utilisateurs ont aussi leur part de responsabilité : ils doivent régulièrement changer de mot de passe et surtout se montrer très prudent si, soudainement, un de leurs amis invente une histoire rocambolesque pour leur soutirer leurs coordonnées bancaires.
Nalaina tato: http://www.01net.com/editorial/515838/1-5-million-de-comptes-facebook-pirates-mis-en-vente/
Ny tiko amabara dia tsotra. Marina fa hoe fitaovana tena mahasoa ny "internet", na izany aza anefa aleo mitandrina ka manadihady tsara vao mandray anjara. Aleo tsy de be filaza amin'ireny "site communautaire" ary mailo foana ka manova matetika ny teny miafina amin'izy ireny.
Ankapobeny | Hevitra (3) | Hametraka hevitra
05/25,2010
Le Tandem
Le Tandem dia restaurant iray vao misokatra ao Antsahavola, izay afaka mandray fivoriam-pianakaviana sy fety aman-danonana isan-karazany.
Le Tandem dia teraka tamin'ny alalan'ny fitiavana mahandro sy manao lakozia, ary indrindra ny fitiavana mihira, na mamonjy irony Karaoke irony. Rehefa nahita ny ampy sy ny tsy ampy tamin'ireny toerana ireny, fa indrindra ny fahasorenana indraindray rehefa tsy afa-po amin'ny sakafo, dia nihitatra ny saina ka nontanterahina ny fananganana ny "le Tandem".
Mbola voatavo tsy mifandraka na ny restaurant, na ireo mpitondra ao anatiny, nefa tsy natahotra ny hiatrika izany hatao hoe mitantana orin'asa izany.
Raha te hiala voly enao dia tongava ao. Isaky ny zoma sy sabotsy alina dia misy karaoke ao, ary ny ekipa manontolo dia vonona ny handray anao amim-pifaliana tokoa.
Ankapobeny | Hevitra (0) | Hametraka hevitra
07/27,2009
Ny "SYNDROME DU TUNNEL CARPIEN"
Fomba maro no ahazoana azy indrindra ho an'ireo mpanao asa tanana fa indrindra ireo mpampiasa maharitra ny solon-tsaina ka mampiasa irony "écran plat" irony. Izy io dia vokatry ny fivokonan'ny hozatry ny felatanan, izay miteraka ny fahabadoan'ny tanana ka mety tsy ho voabaikon'ny atidoha intsony ilay felantanana avy eo.
Aona no fomba ahatarana azy?
Raha maheno mahary eo amin'ny ankihibe, na somary voly ilay felatanana ary raha tsy voatsabo dia mety ihitatra hatrany amin'ny rantsana manontolo. Ny fandidiana iany no hany vahaolana hanasitranana azy.
Koa dia aleo misoroka toa izay mitsabo.
Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra
07/24,2009
RAHOVIANA VAO ILAMINA I GASIKARA???
Tamin'ny taona 1960 dia nomena an'i Malagasy ny fahaleovantena, nefa nandritra izay fotoana izay ka hatramin'izao dia toa tsy nahatsiaro ny tenako hoe tena nilamina marina i Madagasikara. Maro tokoa ireo ady seza nifanesy teto Madagasikara, samy te ho eo daholo nefa refa tonga eo toa tsy itako aokory ze zavatra vita fa to faly hampitombo ny eo am-pelatanana fotsiny ny anton-dia eo.
Tamin'ity taona ity aza moa de betsaka lotra ny ra mandriaka ka zary toa mandry andriran'antsy ny mponina. Nanomboka tamin'ny volana Janoary ka hatramin'izao de tsy nitsahatra ny herisetra etsy sy eroa, misy ny mahakasika ny be sy ny maro, misy kosa ny mahakasika ny tsirairay toy ny fanendahana sy ny haro-paosy...
Heno amin'ny haino aman-jery isan-karazany ireo baomba napetraka etsy sy eroa, asa nga inona no tanjona??? Raha ny hampiroroana ny mponina aloha no tanjona, dia tanteraka zato isan-jato izany. Rahoviana tokoa moa zany vao ilamina i Gasikara?
Ankapobeny | Hevitra (3) | Hametraka hevitra
07/22,2009
NGA DE TENA TSY MISY ASA HAFA E????
Tato ato de tena nirongatra izay tsy izy ny halatra madinidinika toy ny haro-paosy sy ny fametsifetsena. Ny mampametra-mpanontaniana ahy de ny oe fa nga tokoa mo de tsy misy asahafa azo atao???
Mandeha etsy sy eroa ny tolotr'asa amin'ny gazety sy ny haino aman-jery izan-karazany, misy @ izy ireny no tsy de mila diplaoma firy nefa toa mba tsara iany ny karama, nefa mbola betsaka ireo mirenireny etsy sy eroa ka miezaka mametsifetsy ny manodidina azy fotsiny. Ny tena mahavariana ahy nefa de ity, toa tsy misy fiovana akory ny fari-piainany fa vao maika aza mitontongana tsy mandeha amin'izay laoniny; sa ve izany no vokatry ny alahelon'ireo voasoloky sy voaendaka na voaaropaosy?
Mampametra-panontaniana iany noho izany oe nga tsy misy asa hafa?? Sa ve ny hakamoana no betsaka ka aleo mamefitsifetsy mba hividianana ny iray lovia??
Ankapobeny | Hevitra (3) | Hametraka hevitra
07/21,2009
TOE-TSAINA SA FITONDRANA????
Mazana heno etsy sy eroa ny fanivaivana ny fitondrana, tsy de hiditra @ resaka politika kory ny tenako ary tsy momba na iza na iza, fa mahalasa ny saiko ihany oe fitondran'iza ary zany no tena mahavita azy, raha izay rehetra tonga eo toa mahazo tsiny avokoa. Ny tiko ahatongavana dia ny oe misy zavatra tsy de ilàna ny fitondrana fa afaka ataon'ny tsirairray avy na ny daholo be.
Maro tokoa aloha ny fampanantenana nataon'ireo te ahazo seza, ary misy ny tena azo lazaina ho kobak'ambava iany, na izany aza ra tiana handroso ity firenena ity de mila ny herim-po sy ny finiavan'ny tsirairay manampy ny fanjakana. Ohatra mazava amin'izany ny fisian'ireny dabam-pako etsy sy eroa reny, angamba izy ireny tsy de oe natao ho haingon-tanana fa natao ampiasana anariana fako, nefa misy ireo olona izay tsy menatra akory manary ny hoditr'akondro avy nohaniny eny amin'ny arabe. Ny tsy ao an tsainy dia ny oe ra misy olona azeran'iny anie ka tsy ho voavidin'ny 1000 ariaray akory ny vola lany eny @ hopitaly. Santionany iany iny sady ohatra azoko atao oe maivana. Fa betsaka ireo mitaraina amin'ny loton'ny lakan-drano sy ny tatatra eny amin'ny fairtra maromaro eto Antananarivo. Tsy de te hanonona anarana lotra aho fa fantantsika tsara oe aiza ilay tiko lazaina. Toa hain'dry zareo ery ny manome tsiny ny fitondrana na fokontany na kaominina. Nefa raha atao ny fandinihina de iza moa no tena fototry ny fahatsetenan'ny tatatra sy ny lakan-drano?? Toa tsy menatra akory manary ny fako avy ao an-trano eny amin'izy ireny. Ny fako anefa tsy mety levona ka de miandrona ary refa miandrona de manentsina ny tatatra. ka iza mo no tena tokony omena tsiny amin'izany??
Tamin'ny taona lasa dia nihezaka ny fitondrana ny mba honome endrika ny tanàna, nodiovian daholo ny tatatra sy ny lakan-drano tsentsina, novolena voninkazo ny zaridaina rehatra teo amin'ny renivohitra, nasiana " bac à ordure " isaky ny iray na roa metatra, nefa toa ny teo ihany no teo. Maloto ny tanàna, potika daholo ny fanariam-pako napetraka, maty itsaka ny voninkazo, ny vy amin'ny reny sisina zaridaina ireny aza toa efa nisy nanongotra. Avy eo hain'ny be sy ny maro ny manaratsy ny fitondrana, na iza na iza tonga teo anefa toa mba niezaka ny hanatsara ny endriky ny renivohitra iany.
Ko dia averiko apetraka ny fanontaniako oe: TOE-TSAINA SA FITONDRANA?%
Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra
06/27,2009
49 taona lasa zay
49 taona lasa tokoa zay no nahazoa antsika lay atao oe "Fahaleovantena" nefa ve tena manana ny fahaleovantena marina isika izao sa ... Tsy de tiko ny miditra amin'ny resaka politika, sady izaho ko tsy te homba nya tsy na ny aroa fa ortan'ny mankarary andoha le mieritreritra azy. Na iza na iza eo toa samy manao zay ho afany ampitombaoana any arin-karenany ka izay hampitobo ny ahy no mampiasa ny saiko. Nefa tsy mety mangina ny saiko mahita ny zava miseho eto @ firenena; Na de tsy manjanaka mivantana azy ny vahiny, ita ihany ny finatraikany eo @ fiainan'ny malagasy amin'ny ankampobeny. Tonga ny fetim-pirenena, moa va tsy ireo arendrian vitan'ny sinoa sy ny japoney no ita merehidrehitra etsy sy eroa, fa ireo arendrina vita gasy to tsy de misy mampiasa firy, fa efa lany andro ony e. Tsy amin'io resaka io iany, fa amin'ny sehatra maro. Ra tsy hitanisa ny asa tanana malagasy izay to ita fa mihalefy andro aman'alina ny lanajany eto amin'ny firenena. Vitsy ne zany mianajaika amin'ny fitafy nentin-drazana zany e, ny fitafy ankehitriny teo miezaka manenjika ny any ivelany, na ny lokony na ny didiny. Fahiny toa henatra ny manao izany ankanjo mampitdera vatana zany eny fa na de ny sandry aza fa ankehitriny na ny lahy ny vavy de mampiseho izay rehetra tsy tokonyhadera izao.
Ka eto no mipetraka ny fanontaniako oe, manana ny fahaleovantenantsika tokoa ve isika sa anarana fotsiny?.......
Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra
05/09,2009
Tonga soa shanyah!
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.