Malagasy aho

06/27,2009

49 taona lasa zay

49 taona lasa tokoa zay no nahazoa antsika lay atao oe  "Fahaleovantena" nefa ve tena manana ny fahaleovantena marina isika izao sa ... Tsy de tiko ny miditra amin'ny resaka politika, sady izaho ko tsy te homba nya tsy na ny aroa fa ortan'ny mankarary andoha le mieritreritra azy. Na iza na iza eo toa samy manao zay ho afany ampitombaoana any arin-karenany ka izay hampitobo ny ahy no mampiasa ny saiko. Nefa tsy mety mangina ny saiko mahita ny zava miseho eto @ firenena; Na de tsy manjanaka mivantana azy ny vahiny, ita ihany ny finatraikany eo @ fiainan'ny malagasy amin'ny ankampobeny. Tonga ny fetim-pirenena, moa va tsy ireo arendrian vitan'ny sinoa sy ny japoney no ita merehidrehitra etsy sy eroa, fa ireo arendrina vita gasy to tsy de misy mampiasa firy, fa efa lany andro ony e. Tsy amin'io resaka io iany, fa amin'ny sehatra maro. Ra tsy hitanisa ny asa tanana malagasy izay to ita fa mihalefy andro aman'alina ny lanajany eto amin'ny firenena. Vitsy ne zany mianajaika amin'ny fitafy nentin-drazana zany e, ny fitafy ankehitriny teo miezaka manenjika ny any ivelany, na ny lokony na ny didiny. Fahiny toa henatra ny manao izany ankanjo mampitdera vatana zany eny fa na de ny sandry aza fa ankehitriny na ny lahy ny vavy de mampiseho izay rehetra tsy tokonyhadera izao.

Ka eto no mipetraka ny fanontaniako oe, manana ny fahaleovantenantsika tokoa ve isika sa anarana fotsiny?.......

Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

05/09,2009

Tonga soa shanyah!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

Ankapobeny | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

«Mialoha   1 2 3