Malagasy aho

11/08,2010

Ny Fifanajana (tohiny)

Nampidirin'i shanyah : 12:40

Efa resaka fifanajana iany ny lohahevitry ny lahatsoratro tamin'ny farany, ka dia tohizako amin'izay iany ny lohahevitr'ity lahatsoratra manaraka ity.

Ny tiako hambara eto indray dia ireny zava-miseho eny amin'ireny toeram-pisakafoanana ireny. 

Mazana tokoa mantsy eny amin'ireny toeram-pisakafoanana ireny dia maro ny zava-miseho ao, ary eny amin'ireny toerana ireny no tena hita ny tena toetran'ny olona iray. Ny tiko ho tsindrina dia ireo olona miasa ao aminy (serveurs sy serveuse io). 

Misy amintsika (enga anie mba tsy enao mamaky io) no mahavita mitabataba sy mivazavaza amin'izy ireny. Eny! tsy laviko hoe ao ireo mbola tsy za-draharaha, mety manao fahadisoana kely madinidika, nefa na izany aza, tokony mba omena fanajana iany izy ireny. Araka ny nolazaiko tetsy ambony, dia misy tokoa isika no mahavita mivazavaza sy manompa azy ireny, indrindra moa rehefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra ao an-tsaintsika ny zava-miseho (somary misy fiandrasana kely, tsy ampy sira, ....).

Fantaro anefa hoe inona tokoa moa ny miseho eo anivon'ireny toeram-pisakafonana ireny.

Fantaro ary fa:

-  ny fotoana handoarana ny sakafo, hametrahana ny haingonkaingony ireny, dia mila eo amin'ny 7 na 10 minitra eo ny fotoana fiandrasana. 

- raha toa moa ka sakafo somary manahirana ny mikarakara azy dia fantaro fa tsy maintsy mbola miandry eo amin'ny 15 na 20 minitra eo koa ianao. 

- raha tsy enao irery no ao anatin'ilay trano fisakafoanana, dia mbola tokony hiandry kely iany ianao satria ny tonga aloha no tsy maintsy omena aloha eny fa na dia sakfo mora karakaraina aza ny anao

Ny tiako ambara dia ny hoe, marina fa mety nisy nahasorena anao tany ivelany tany, marina iany koa fa mety efa noana be ianao niditra tao anatin'ilay toeram-pisakafoanana, nefa na izany aza, refa mba miarahaba amin'ny tsikitsiky ireny olona ireny de tokony ho valiana tsikitsiky; raha sendra ela ilay sakafo dia anontanio moramora ilay serveur na serveuse eo anatrehanao, resaho moramora izy, fa refa hainao ny manaja azy dia hainy iany koa ny manaja anao. 

Mafy tokoa manko ny asan'izy ireny, ka raha sady mahazo avy aty aminao mpanjifa izy, nefa koa izy ao ambadika ao mbola mahazo avy amin'ireo mpahandro miampy ny fitadidiana hoe ny sakafo inona no an'iza, iza no mbola tsy nahaza, efa lasa ve ilay sakafo otran'izatsy sy zaroa, dia eritrereto hoe raha enao no eo amin'ny toerany, vitanao ve? zakanao ve?

 

 

 

Hevitra (2) | Verindrohy (trackback) (0) | Ankapobeny


Hevitra


Hametraka hevitra