Malagasy aho

05/25,2010

Le Tandem

Le Tandem dia restaurant iray vao misokatra ao Antsahavola, izay afaka mandray fivoriam-pianakaviana sy fety aman-danonana isan-karazany.

Le Tandem dia teraka tamin'ny alalan'ny fitiavana mahandro sy manao lakozia, ary indrindra ny fitiavana mihira, na mamonjy irony Karaoke irony. Rehefa nahita ny ampy sy ny tsy ampy tamin'ireny toerana ireny, fa indrindra ny fahasorenana indraindray rehefa tsy afa-po amin'ny sakafo, dia nihitatra ny saina ka nontanterahina ny fananganana ny "le Tandem". 

Mbola voatavo tsy mifandraka na ny restaurant, na ireo mpitondra ao anatiny, nefa tsy natahotra ny hiatrika izany hatao hoe mitantana orin'asa izany. 

Raha te hiala voly enao dia tongava ao. Isaky ny zoma sy sabotsy alina dia misy karaoke ao, ary ny ekipa manontolo dia vonona ny handray anao amim-pifaliana tokoa. 

Ankapobeny | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/27,2009

Ny "SYNDROME DU TUNNEL CARPIEN"

Fomba maro no ahazoana azy indrindra ho  an'ireo mpanao asa tanana fa indrindra ireo mpampiasa maharitra ny solon-tsaina ka mampiasa irony "écran plat" irony. Izy io dia vokatry ny fivokonan'ny hozatry ny  felatanan, izay miteraka ny fahabadoan'ny tanana ka mety tsy ho voabaikon'ny atidoha intsony ilay felantanana avy eo. 

Aona no fomba ahatarana azy?

Raha maheno mahary eo amin'ny ankihibe, na somary voly ilay felatanana ary raha tsy voatsabo dia mety ihitatra hatrany amin'ny rantsana manontolo. Ny fandidiana iany no hany vahaolana hanasitranana azy.

 

Koa dia aleo misoroka toa izay mitsabo.

Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

07/24,2009

RAHOVIANA VAO ILAMINA I GASIKARA???

Tamin'ny taona 1960 dia nomena an'i Malagasy ny fahaleovantena, nefa nandritra izay fotoana izay ka hatramin'izao dia toa tsy nahatsiaro ny tenako hoe tena nilamina marina i Madagasikara. Maro tokoa ireo ady seza nifanesy teto Madagasikara, samy te ho eo daholo nefa refa tonga eo toa tsy itako aokory ze zavatra vita fa to faly hampitombo ny eo am-pelatanana fotsiny ny anton-dia eo.

Tamin'ity taona ity aza moa de betsaka lotra ny ra mandriaka ka zary toa mandry andriran'antsy ny mponina. Nanomboka tamin'ny volana Janoary ka hatramin'izao de tsy nitsahatra ny herisetra etsy sy eroa, misy ny mahakasika ny be sy ny maro, misy kosa ny mahakasika ny tsirairay toy ny fanendahana sy ny haro-paosy...

Heno amin'ny haino aman-jery isan-karazany ireo baomba napetraka etsy sy eroa, asa nga inona no tanjona??? Raha ny hampiroroana ny mponina aloha no tanjona, dia tanteraka zato isan-jato izany. Rahoviana tokoa moa zany vao ilamina i Gasikara?

Ankapobeny | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

07/22,2009

NGA DE TENA TSY MISY ASA HAFA E????

                Tato ato de tena nirongatra izay tsy izy ny halatra madinidinika toy ny haro-paosy sy ny fametsifetsena. Ny mampametra-mpanontaniana ahy de ny oe fa nga tokoa mo de tsy misy asahafa azo atao???

               Mandeha etsy sy eroa ny tolotr'asa amin'ny gazety sy ny haino aman-jery izan-karazany, misy @ izy ireny no tsy de mila diplaoma firy nefa toa mba tsara iany ny karama, nefa mbola betsaka ireo mirenireny etsy sy eroa ka miezaka mametsifetsy ny manodidina azy fotsiny. Ny tena mahavariana ahy nefa de ity, toa tsy misy fiovana akory ny fari-piainany fa vao maika aza mitontongana tsy mandeha amin'izay laoniny; sa ve izany no vokatry ny alahelon'ireo voasoloky sy voaendaka na voaaropaosy?

               Mampametra-panontaniana iany noho izany oe nga tsy misy asa hafa?? Sa ve ny hakamoana no betsaka ka aleo mamefitsifetsy mba hividianana ny iray lovia??

               

 

Ankapobeny | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

07/21,2009

TOE-TSAINA SA FITONDRANA????

Mazana heno etsy sy eroa ny fanivaivana ny fitondrana, tsy de hiditra @ resaka politika kory ny tenako ary tsy momba na iza na iza, fa mahalasa ny saiko ihany oe fitondran'iza ary zany no tena mahavita azy, raha izay rehetra tonga eo toa mahazo tsiny avokoa. Ny tiko ahatongavana dia ny oe misy zavatra tsy de ilàna ny fitondrana fa afaka ataon'ny tsirairray avy na ny daholo be.

Maro tokoa aloha ny fampanantenana nataon'ireo te ahazo seza, ary misy ny tena azo lazaina ho kobak'ambava iany, na izany aza ra tiana handroso ity firenena ity de mila ny herim-po sy ny finiavan'ny tsirairay manampy ny fanjakana. Ohatra mazava amin'izany ny fisian'ireny dabam-pako etsy sy eroa reny, angamba izy ireny tsy de oe natao ho haingon-tanana fa natao ampiasana anariana fako, nefa misy ireo olona izay tsy menatra akory manary ny hoditr'akondro avy nohaniny eny amin'ny arabe. Ny tsy ao an tsainy dia ny oe ra misy olona azeran'iny anie ka tsy ho voavidin'ny 1000 ariaray akory ny vola lany eny @ hopitaly. Santionany iany iny sady ohatra azoko atao oe maivana. Fa betsaka ireo mitaraina amin'ny loton'ny lakan-drano sy ny tatatra eny amin'ny fairtra maromaro eto Antananarivo. Tsy de te hanonona anarana lotra aho fa fantantsika tsara oe aiza ilay tiko lazaina. Toa hain'dry zareo ery ny manome tsiny ny fitondrana na fokontany na kaominina. Nefa raha atao ny fandinihina de iza moa no tena fototry ny fahatsetenan'ny tatatra sy ny lakan-drano?? Toa tsy menatra akory manary ny fako avy ao an-trano eny amin'izy ireny. Ny fako anefa tsy mety levona ka de miandrona ary refa miandrona de manentsina ny tatatra. ka iza mo no tena tokony omena tsiny amin'izany??

Tamin'ny taona lasa dia nihezaka ny fitondrana ny mba honome endrika ny tanàna, nodiovian daholo ny tatatra sy ny lakan-drano tsentsina, novolena voninkazo ny zaridaina rehatra teo amin'ny renivohitra, nasiana " bac à ordure " isaky ny iray na roa metatra, nefa toa ny teo ihany no teo. Maloto ny tanàna, potika daholo ny fanariam-pako napetraka, maty itsaka ny voninkazo, ny vy amin'ny reny sisina zaridaina ireny aza toa efa nisy nanongotra. Avy eo hain'ny be sy ny maro ny manaratsy ny fitondrana, na iza na iza tonga teo anefa toa mba niezaka ny hanatsara ny endriky ny renivohitra iany.

Ko dia averiko apetraka ny fanontaniako oe: TOE-TSAINA SA FITONDRANA?%

Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra