Malagasy aho

10/15,2010

Ny taxi-be sy ny fifanajana

Ny mpiasan'ny taxi be no anisan'ny olona mifanerasera matetika aman'olona, saingy ny mampalahelo amin'izy ireny dia tsy mba hain'izy ireo ny mikarakara ireo mpandeha ao aminy. Ambonin'ny hoe sady ratsy be ilay fiara, maloto ary simba ny seza ipetrahana, dia eo koa ny tsy fahalalam-pomba sy ny fikatakitana ny mpandeha.

Tranga mateti-piseho io fikitakitana ny mpandeha io. Misy izany vao tafiditra ao anaty fiara ilay mpandeha dia efa mailaka ery ny "receveur" mitaky ny saran-dalana,nefa mbola tsy nahazo seza akory ilay mpandeha. Ny fitakiana ny saran-dalana tsy mba amim-panajana fa dia mivatravatra aoka izany. Raha sanatria moa ka vaventy ny vola, na tokony hisy fameriny dia ady be tsy vita izany voa azo, ary raha sendra varina dia efa lazainy fa efa naveriny. 

Manampy izany koa ny fofona sy ny ankanjo maloto be efa tandalerona mihitsy. Raha sendra mipetraka eo amin'ny seza manakaiky ny varavarana fidirana dia tsy maintsy miomana fa ho sempotry ny karazam-pofona: ao ny fofon-kelika, ao ny fofon-tongotra,.... Fa nga aza tsy mba mahay izany hoe misasa aloha vao mande miasa izany ny mpiasan'ny taxi be e?!

Ankapobeny | Hevitra (10) | Hametraka hevitra

10/12,2010

Ny Karajia sy ny resaka "sex"

Mety hisy hilaza angamba ny sasany amintsika eto ampamankiana ity lahatsoratra ity fa efa tena niaina tamin'ny andron'ny ntaolo ny tenako na hoe "vieux jeux" amin'ny antsoin'ny vahiny. Nefa moa tsy aritra ka de ambara eto iany.

Betsaka ankehitriny ny tranonkala manisy vahana ny sampana atao hoe "karajia" na tchat hoy isika amin'ny teny vahiny. Tsara tokoa ny fisian'izy ireny, mba mampiala voly, ary koa ahafahana mitafatafa sy mifampizara trai-kefa. Fa trai-kefa amin'ny lafiny inona, ary tafatafa momba ny inona?

Tsy fantatro aloha raha toa ka efa izay mihintsy ny zava-misy ka dia tsy maintsy miaina amin'izay tokoa, fa raha ho ahy manokana dia sorena iany ny tenako raha toa ka misy miteny amiko resaka vetaveta, tsy misy arahaba tsy misy n'inona na inona.

Maro ireo tovolahy no dia tsy misy resaka afa tsy io. Ohatran'ny hoe tsy misy hajany intsony izay tovovavy sendra miditra ka mba mitady tafa amin'ireny tranonkala ireny. Ny fiheveran'ny sasany aza dia hoe olona tsy misy dikany sy tsy misy hajany daholo zany ny olona miditra ao amin'ireny tranonkala ireny. Ekeko aloha fa misy ireo tranonkala izay natokana iresahana an'izany, saingy tsy ny tranonkala rehetra akory no tokony iresahana an'izany. 

Asa aloha, na hoe efa izay tokoa ve zany no lamaody, ka dia izay tsy miresaka an'izany dia tena olona tsy maharaka mihintsy, fa ra ho ahy manokana aloha dia somary sorena iany ny tenako refa sendra an'izy ireny, indrindra moa raha hoe efa sorena avy ami'ny asa iny enao no mbola misy miteny zavatra tahak'izany. 

Raha ho ahy izay tsy miala ato anaty birao mandritra ny tontolo andro, ireny tranonkala ireny no mba hany namako nefa moa refa sendra ireny resaka ireny, sorena iany ny tena.

 

 

Ankapobeny | Hevitra (14) | Hametraka hevitra